
Miverina any amin'ny lisitra : Asa tanana
Fahalalan’ny razambe izay nampitaina tamin’ny taranaka nifandimby teto Madagasikara ny fandrariana. Vitan’ireo vehivavy mpanao asa tanana ao anatin’ny kaoperativa ny manamboatra endrika marobe isan-karazany, miaraka amin’ny akora maro avy amin’ny faritry ny morontsiraka Atsinanana. Singanina manokana ireto manaraka ireto:
– Ny PENJA izay fibra voajanahary nalaina avy tao anaty herana
– Ny RAFIA izay fibre voajanahary nalaina avy tamin’ny hazo rofia « Raphia ruffia »
– Ny SADADIOKY izay rafia voakarakara sy voatenona
– Ny PADDY izay azo avy amin’ny kitapom-bary naodina ary nasiana amboradara sy nolokoina
– Ny GONY izay fibra voajanahary nalaina avy tamin’ny hazo iva kely antsoina hoe « Jute Blanc »
– Ny RAVIN’AKONDRO izay notapahana avy tamin’ny akondro maniry avy hatrany
Ireto ambany ireto misy ohatra vitsivitsy momba ny asa tanana vita, kanefa aza misalasala milaza izay tianao hovidiana, miaraka amin’izay loko sy kisarisary tianao !
| Coopératives | Kovapamina |
|---|
Kaoperativa ao anatin’ny dingana fahazoana ny marika maneho ny Varotra ara-dRariny.
Azonao jerena ao anatin’ny katalaogy adika avy eto avokoa, ny antsipiriany sy ny hevitra bebe kokoa!
Aza misalasala mangataka ny lisitry ny vidiny sy ny antsipiriany ara-teknika momba ireo vokatra ireo.


