Ny hetsika ataontsika

Ny hetsika ataontsika

Mandray anjara betsaka amin’ny fampandrosoana ny varotra ara-drariny any amin’ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara, ny RCCE. Mandray anjara amin’ny fifandraisan’ny mpikambana miaraka amin’ny mpiara-miasa miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana ihany koa izy io. Manamora ny fampandrosoana ara-toekarena sy ny fisokafana mankany amin’ireo tetikasa fampandrosoana vaovao io tambajotra io.

Tanjon’ny RCCE ny:

  • Hampiroborobo ny varotra ara-drariny sy ny fahaiza-manaon'ny mpamokatra any amin’ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara.
  • Hanambatra ny fitantanana, fitondrana ary fahalalàna eo amin’ny kaoperativa.
  • Hanamafy ny fahaizan’ny mambra mpamokatra amin’ny alàlan’ny fivarotana ny vokatra ara-drariny sy biolojika vokarin'izy ireo.
  • Handray anjara amin’ny hetsika ara-tsosialy ao an-tanàna: fanarenana na fanamboaran-dalana, sekoly, toeram-pisakafoanana any an-tsekoly, toeram-panatanjahantena sns ….
Scroll to Top